Revelation of John 14

1Nijery aho ary nahita ny Zanak’ondry nitsangana teo amin’ny tendrombohitra Ziona. Niaraka taminy ireo 144. 000 izay nanana ny anarany sy ny anaran’ny Rainy voasoratra eo amin’ny handrin’izy ireo. 2Nandre feo avy any an-danitra toy ny firohondrohon’ny rano maro sy kotroka mafy aho. Ny feo reko ihany koa dia toy ny mpitendry lokanga mitendry ny lokangany.

3Nihira hira vaovao teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anoloan’ireo zava-manan’aina efatra sy ireo loholona izy ireo. Tsy nisy na iza na iza afaka nianatra ny hira afa-tsy ireo 144. 000 izay novidiana avy teto an-tany ihany. 4Ireo dia olona izay tsy nandoto ny tenan’izy ireo tamim-behivavy, fa nihazona ny tenany madio ara-nofo izy ireo. Izany dia izay manaraka ny Zanak’ondry na aiza na aiza alehany. Izy ireny dia novidiana avy tamin’ny olombelona toy ny voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra sy ho an’ny Zanak’ondry. 5Tsy nisy lainga hita teo amin’ny molotr’izy ireo, tsy manan-tsiny izy ireo. [ Fanamarihina: Ny dikan-teny sasany manampy hoe: “teo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra”]

6Nahita anjely hafa nanidina ambony aho, izay nanana ny hafatra mandrakizain’ny vaovao mahafaly hambara amin’ireo izay miaina ambonin’ny tany- amin’ny firenena, foko, fiteny, ary ny olona rehetra. 7Niantso tamin’ny feo mafy izy hoe: “Matahora an’Andriamanitra ary manomeza voninahitra Azy. Fa tonga ny oran’ny fitsarany. Mivavaha Aminy, ny iray izay nanao ny lanitra, ny tany, ny ranomasina, ary ny loharano.”

8Nisy anjely hafa- ny anjely faharoa- nanaraka niteny hoe: “Nianjera, nianjera Babylona lehibe, izay nandresy lahatra ireo firenena rehetra mba hisotro ny divain’ny fitondran-tena malotony.”

9Nisy anjely hafa- anjely fahatelo- nanaraka azy ireo, niteny tamin’ny feo mafy hoe: “Raha misy mivavaka amin’ny ny bibidia sy ny sariny, ary mandray ny marika eo amin’ny handriny na eo amin’ny tanany, 10dia hisotro ny sasany amin’ny divain’ny fahatezeran’Andriamanitra ihany koa izy, divay tsy niharo izay narotsaka tao anatin’ny kapoaky ny hatezerany. Ny olona izay misotro izany dia ho ampijaliana amin’ny afo sy solifara eo anoloan’ireo anjely masin’Andriamanitra sy eo anoloan’ny Zanak’ondry.

11Ny setroka avy amin’ny fijalian’izy ireo dia miakatra mandrakizay doria, ary tsy manam-pitsaharana andro sy alina izy ireo- ireo mpanompon’ny bibidia sy ny sariny ireo, ary ny olon-drehetra izay mandray ny mariky ny anarany. 12Ity dia antso ho an’ny faharetana maharitr’ireo izay masina, ireo izay mankatoa ireo didin’Andriamanitra ary mino an’i Jesosy.”

13Nandre feo avy any an-danitra aho niteny hoe: “Soraty izao: Sambatra ny maty izay maty ao amin’ny Tompo.” “Eny”, hoy ny Fanahy, “mba ahafahan’izy ireo miala sasatra amin’ny asan’izy ireo, fa ny vitan’izy ireo dia hanaraka azy ireo.”

14Nijery aho, ary nisy rahona fotsy. Nipetraka teo amin’ny rahona ny iray toy ny zanak’olona. Nanana satro-boninahitra volamena teo amin’ny lohany sy fijinjana maranitra eny an-tanany izy. 15Dia nisy anjely hafa nivoaka ny tempoly ary niantso tamin’ny feo mafy an’ilay mipetraka eo amin’ny rahona nanao hoe: “Raiso ny fijinjanao ka manomboa mijinja. Fa tonga ny fotoana hijinjana, satria masaka ny vokatry ny tany.” 16Ary ny iray izay nipetraka teo amin’ny rahona nampandroso ny fijinjany teto an-tany, ka nojinjaina ny tany.

17Nisy anjely hafa nivoaka avy tao an-tempoly tany an-danitra; nanana fijinjana maranitra ihany koa izy. 18Mbola nisy anjely hafa koa nivoaka ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra, izay nanana fahefana amin’ny afo. Niantso tamin’ny feo mahery an’ilay ireo izay nanana fijinjana maranitra izy hoe: “Raiso ny fijinjanao maranitra ary angony ireo sampahom-boaloboka avy amin’ny voaloboky ny tany, fa ireo voaloboka dia efa masaka izao.”

19Nampandroso ny fijinjany tamin’ny tany ilay anjely ary nanangona ny vokatry ny voaloboky ny tany. Natsipiny tao anaty famiazam-boaloboka lehiben’ny fahatezeran’Andriamanitra izany. Ny famiazam-boaloboka dia nitsahina tany ivelan’ny tanàna, ary ny rà dia niraraka avy ao amin’izany ka tonga hatreny amin’ny haavon’ny lamboridin-tsoavaly, izay 1. 600 stadio.

20

Copyright information for PltULB